Proverbs 28

1Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora. 2Ny fahotan’
Na: fikomian’
ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian’ ny olona manan-tsaina
Na: manan-tsaina sady mahalala rariny.
kosa no mampahateza ny fanjakana
Na: Fa noho ny manan-tsaina no haharetan’ ny fahamarinana.
.
3Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina. 4Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin’ ny fanoherana azy. 5Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an’ i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra. 6Ny malahelo izay mandeha amin’ ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika. 7Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy. 8Izay mampitombo ny fananany amin’ ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an’ izay miantra ny malahelo 9Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana. 10Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin’ ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa. 11Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy. 12Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra
Na: mitsangana.
kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.
13Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po. 14Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza. 15Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin’ ny olona reraka. 16Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona. 17Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy. 18Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka. 19Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana
Na: zava-poana.
ho voky alahelo kosa.
20Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina. 21Tsy mety raha mizaha tavan’ olona; Kanefa na dia amin’ ny sombin-kanina ihany aza dia sahin’ ny olona hanotana. 22Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo. 23Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin’ ny lelany. 24Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman’ ny mpanimba. 25Izay mierina
Na: miavonavona am-po.
manetsika ady; Fa izay matoky an’ i Jehovah dia hohatavezina.
26Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin’ ny fahendrena no ho afa-miala. 27Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be; 28Raha misandratra
Na: mitsangana.
ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.

Copyright information for Mg1865